Actualités

Fanjakana japoney Hanome 17 tapitrisa dolara


  • Alakamisy 24 Aprily 2014

Hanome lelavola mitentina 17 tapitrisa dolara hanampiana ny tetibolam-panjakana ny governemanta japoney ho setrin’ny fijoroan’ny governemanta vaovao, hoy i Ruyhei Hosoya, masoivoho japoney miasa sy monina eto Madagasikara.

 Ao anatin’ny famolavolana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara rahateo ny firenena Japoney amin’izao ka sehatra 4 no hataony laharam-pahamehana dia ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ny fampandrosoana ara-toekarena, ny fampandrosoana ara-tsosialy ary ny fanjakana tsara tantana. Mandritra ny fanatrehan’ny solontena Malagasy ny fivorian’ny TICAD faha-5 any Cameroun ny 4 sy 5 mey izao no handinihana lalindalina kokoa momba io fiaraha miasa io. Marihina fa efa manohana ireo fikambanana iraisam-pirenena koa ry zareo. 9 hetsy dolara, ohatra, no vola fanohanana nomeny ny PAM izay aompana amin’ny fanomezana fanampiana ara-tsakafo olona 62.000 tratran’ny tsy fanajariana ara-tsakafo noho ny tondradrano, ny hain-tany ary koa noho ny andiam-balala. Nahazo 1,3 tapitrisa dolara koa ny Unicef.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT