Actualités

Fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina 900 miliara Ar ny ampahan’asa voalohany


  • Alarobia 18 Febroary 2015

anomboka ny volana janoary 2016 ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina raha ny vinan’asa eo anivon’ny SPAT no jerena. Raha ny fiaraha-miasa eo aminy sy ny JICA ihany koa, dia ny faran’ny volana martsa izao no ho vita tanteraka ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity asa fanitarana ity. Raha io vinan’asan’ny SPAT hiarahany amin’ny JICA io,

 

H dia hizara 04 ny asa atao mandritra ny 2016 hatramin’ny 2023 ampahany voalohany io. Hatomboka amin’ny fametrahana ny “Digue de protection” izany, hitohy amin’ny fametrahana ny fanitarana ny fiantsonan’ny sambo “mole C3” sy ny “mole C4” ary hofaranana amin’ny toerana malalaka eo atsinanan’ny seranana mirefy 26 ha ho fitobiana kaontenera. Mitotaly 300 tapitrisa Euro na 900 miliara ariary ny sandam-bidin’ny fanaovana ireo asa ampahany voalohany ireo, satria raha ny tetikasa ny SPAT dia any amin’ny taona 2035 vao ho tena vita ny vinan’asa rehetra napetraka, indrindra amin’ny fametrahana ilay fitobiana kaontenera goavam-be eo afovoan-dranomasina avaratry ny seranan-tsambo.

 

Fakan-kevitra

Vokatr’ireo tetikasa ireo dia nisy ny fakana ny hevitry ny olona, ka olona voatokana manokana no nantsoina nihaino sy nangatam-panazavana ary nametra-panontaniana mahakasika izany, lanonana natao tao amin’ny efitrano malalaky ny faritany omaly maraina. Nanaiky ny ankamaroan’ny olona niatrika izany, saingy mametraka ny ahiahiny amin’ny fanajana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny vokatra ratsy hateraky ny fanitarana. Ankoatra izay, dia mampitombo avo telo heny ny kaontenera hokirakirain’ny seranan-tsambo ny fahavitan’ny asa ka raha manodidina ny 700.000 izany hatreto dia hiakatra ho 2.500.000 . Mampitombo 3% isan-taona amin’ny entana misaritaka ihany koa. Ankehitriny araka ny fanazavana azo raha tsy ny Kraoma fotsiny, dia manana vina hampiakatra izany ho 300.000 taonina ny SMMC raha 100.000 taonina izany hatramin’izay, ny volana janoary teo dia efa 54.000 taonina ny kraoma naondran’ny Malagasy.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT