Omaly alakamisy 24 mey no nampahafantarina tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny tetipivoarana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fanisana ankapobeny fahatelo ny mponina sy ny toeram-ponenana (RGPH3) manerana an’i Madagasikara.
Isaky ny 10 taona amin’ny ankapobeny no atao ny fanisana ny mponina sy ny toeram-ponenan’ny firenena tsirairay. Efa tara i Madagasikara satria efa tamin’ny aogositra 1993 no nisaina farany ny mponina, izany hoe efa 25 taona lasa. Ny firenena mikambana no manentana ny firenena tsirairay hanisa ny mponina ao aminy isaky ny 10 taona satria miainga amin’izany ny fandrafetana ny politikam-pandrosoana ara-toekarena atao. Ity RGPH 3 ity ihany koa no entina hampiroborobo ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifoton’ny faritra tsirairay ary indrindra fitaovana entina manavao ny antontan-kevitra mikasika ny lisi-pifidianana. Marihina fa ny olona rehetra mipetraka eto Madagasikara na maharitra na mandalo no isaina. Tafiditra amin’izany ihany koa ny tsy manan-kialofana, ny miaramila andakazerina, ny marary any amin’ny hopitaly sy ny olona mipetraka any amin’ny hotely maro samihafa any. Lava sy sarotra ny hetsika amin’ny lafiny teknika, araka ny fanazavan’Andriamatoa minisitry ny toekarena sy ny tetipivoarana Herilanto Raveloharison satria mila fanomanana maro. Tafiditra amin’izany, ohatra, ny fanaovana sarintany (cartographie) amin’ny alalan’ny famaritana ny trano rehetra izay heverina ho misy olona sy trano fonenana. Eo ihany koa ny fanofanana ireo mpiasa mpanadihadymitondra marika famantarana (badge) midina an-kianja rehetra any izay manodidina ny 45 000 ny isan’izy ireo.
Tsiry sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.