Tsy nitazam-potsiny noho ny fahazaran’ny olona manimba sy mandoro fananam-bahoaka isaky misy ny tsy mahafaly azy ireo ny Jirama Toamasina,
nandritra ny fandoran’ireo andian’olona nisy nitarika noho ny olana tamina herinaratra nandritra ny famaranana ny “mondial” ny 15 jolay farany teo. Ho an’ny jirama Toamasina araka ny fanazavana nomen’ny taleny Atoa Toto Jean de Dieu mantsy dia efa fandorana nomanina iny nitranga tao Vavatenina iny, satria roa volana talohan’io dia efa nisy ny trakta niely tany an-toerana noho io olan’ny herinaratra io, fa ho tonga ny vahoaka handoro ny jirama fa tsy mahafa-po ny tolotra omeny ny mpanjifa. Efa nanao ny ezaka ny hamatsy fitaovana an’i Vavatenina anefa ny Jirama Toamasina saingy voasemban’ny fahasimban’ny tetezana tao Antaratasy izany ka tsy afaka ny fiarabe nitondra ny fitaovana tamin’izay. Raha ny fanazavana azo anefa dia fantatry ny jirama Toamasina fa olona enina no tena atidoha nanao izao fandorana sy fanimbana ny fitaovam-bahoaka tao amin’ny jirama Vavatenina izao; nefa ny tena mahagaga na dia efa mipetraka ara-dalàna aza ny fitoriana teo anivon’ny zandary, dia tsy mety manao ny fisamborana sy fakana am-bavany ireo olona enina ireo ny zandary any an-toerana, fa milaza ny matahotra noho ny toerana misy ireto olona enina ireto eo anivon’ny fiarahamonina ao Vavatenina. Voatery nametraka fangatahana fisamborana teo anivon’ny fitsarana izy ireo ka nahazo izany, saingy tsy manatontosa ny zandary any an-toerana izay tsy fantatra mazava ny antony, manahy kolikoly avo lenta ny jirama nefa fananam-bahoaka izao no potika sy may nataon’ireto olona enina ireto.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.