Raha nisy raharaha iray manamarika ny filazam-baovao teto an-toerana, eny miparitaka hatrany ivelany any amin’ny fivoaran’ny teknôlôjian’ny fifandraisana, dia ity fanohintohinana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy fanenjehana mpanao gazety miha mahery vaika miseho lany ankehitriny ity.
Ary dia mifarimbona manao izany ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny serasera sy ny mpandraharaha matanjaka iray, izay voatonona nandritra ny valandresaka nataon’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala teo aloha, Dr Randriamiandrisoa Joseph ny alatsinainy 16 aprily 2012 fa tafiditra ao anatin’ny raharaha «bois de rose», ary notaterin’ny haino aman-jery sy gazety mpiseho isan’andro teto an-drenivohitra. Tato anatin’ny folo andro teo izay dia io no resaka. Mivoaka ny taratasy fampitandremana alefan’ny ministera. Nisy indray avy eo ny fitoriana gazety sy ny mpanao gazety nataon’i Mamy Ravatomanga, taorian’ny fitaterana ny zava-boalazan’ny Dr Randriamiandrisoa Joseph nandritra valandresaka nataon’ity farany nanehoany ny heviny taorian’ny nanilihana azy tsy ho mpikambana eo anivon’ny governemantan’ny firaisam-pirenena ka nanaovany ampamoaka momba ny resaka «bois de rose» ary nanononany ny anaran’io mpandraharaha io. Noraisin’ity farany ho fanaovana “fanalam-baraka, fanentanana amin’ny fankahalana, fanaparitahana vaovao tsy marina, fiampangana mihoapampana ary famingavingana” azy anefa izany ka nitondrany avy hatrany ny raharaha teny amin’ny fitsarana, ka nametrahany fitoriana teny amin’ny fampanoavana.
Ity farany indray nandefa ny raharaha teny amin’ny zandary misahana ny fikarohana momba ny heloka bevava hisahana ny famotorana. Samy nitatitra io valandresaka io na ny Internet na ny haino aman-jery tsy miankina teto an-drenivohitra, fa ny gazety mpiseho isan’andro Ma-Laza sy ny Tia Tanindrazana miaraka amin’ireo mpanao gazety ao amin’ny radio Free-FM, Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidèle Razara Pierre, no notorian’ilay mpandraharaha. Azo heverina fa tsy tongatonga ho azy izany, fa ao raha ! Misy ny fampiantsoana eny amin’ny zandary, ary efa nisy ny nohenoina. Omaly tolakandro dia izy mianadahy ao amin’ny Free-FM no voaantso hiseho teny Fiadanana. Fampahafantarana ihany ny fisian’ny fitorian’i Mamy Ravatomanga azy ireo no natao, fa amin’ny alarobia 02 mey, andro mialoha ny fanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, vao hatao ny fihenoana azy ireo.
Efa tamin’ny fiandohan’ny herinandro kosa ny fihenoana ny Ma-Laza. Ireo orinasan-tserasera ireo no lasibatra eto, fa tsy ferana ny hahazo ny hafa, raha izao fitsokan’ny rivotry ny faneriterena sy fanapenam-bava miharo ramatahora izao. Ny asa fanaovan-gazety amin’ny ankapobeny mihitsy no voatohintohina. Raha ity tranga ity mantsy dia tsy nanao afa-tsy nitatitra izay zava-boalaza nandritra ny valandresaka nataon’ny minisitra Joseph no itaritarihana mpanao gazety any amin’ny fitsarana, ka iampangana azy ireo ho manely vaovao tsy marina nefa na ilay minisitra naneho hevitra aza tsy nandiso ny zavatra notaterina an-gazety momba izay noteneniny na dia in-dray maraina akory.
Ka sao dia mba tsy rariny e ! Tsy mahagaga raha nifanohana, nifankahery, naneho firaisankina teny Fiadanana ny mpanao gazety omaly, satria anio dia ireo no lasibatra fa rahampitso rahafak’ampitso dia mety ho ny hafa koa. Ady ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ary ny hampanjakana ny fahamarinana no nodradraina teto, telo taona lasa izay, ary trangan-javatra toy izao no pitik’afo nampirehitra ny “trano” tamin’ny 2009, raha nisy ny raharaha TV Viva ary vao mainka nanamaloka ny toeran’i Madagasikara teo imason’izao tontolo izao noho ny raharaha radio MADA, Fahazavana, MBS, nitohy tamin’ny fanakatonana ireo radio sy fahitalavitra tsy miankina am-polony maro tamin’ny 2011 ireny. Voatohintohina ao anatin’izao raharaha izao koa ny zon’ny olom-pirenena hahazo vaovao sy haneho hevitra, zo omen’ny lalampanorenana azy ary zon’olombelona ihany koa. Ny tondrozotra rahateo, satria anaty tetezamita izao, dia milaza mazava ny tokony hanajana io fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy maneho hevitra io ao amin’ny andiny faha-17. Ka hohajaina io sa hosihosena ? Sao mba tsy rariny e !
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.