Actualités

Fandriampahalemana Basy avy aiza no ampiasain’ireo jiolahy ?


  • Alakamisy 13 Janoary 2011

Isan’andro no ahitana an-gazety sy andrenesana sy amin’ny haino aman-jery fa nisy jiolahy mitam-piadiana nanafika tatsy sy taroa. Tsy mifidy hasiana ny jiolahy fa na mpivarotra ambongadiny, tranon’olona ambony sy manna-katao, na orinasa, eny fa hatramina mpitandro ny filaminana aza dia lasibatra avokoa.

Amin’izay tena sahy mitifitra ireo jiolahy ary tsy matahotra mihitsy ny mifanehitra amin’ny mpitandro ny filaminana. Fitaovam-piadiana mahery vaika no entin’ireo jiolahy, satria basy fampiasa amin’ny ady tahaka ny kalachnikov eo ihany koa ny basy poleta toy ny “Pistolet Automatique” 9mm sy ny “Makarov”, misy koa aza no mitondra “Fusil à pompe”. Mahagaga sy mahatalanjona ihany izany rehetra izany, satria tsy misy ny fivarotana basy ho an’ny rehetra eto Madagasikara, ary raha ny tena marina dia ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy ihany no manana sy afaka mampiasa ireo karazam-basy ireo. Mipetraka ny fanontaniana eto manao hoe : tamin’ny fomba ahoana ary no nahazoan’ireo jiolahy ireo basy ireo ? Nangalarina ve sa nomen’olona sa basy nampanofaina ireo ? Fa na ahoana na ahoana valin’izay fanontanina izay dia mampanahy be ihany ary tsy azo ekena sy voararan’ny lalàna.

Efa niaraha-mahalala ihany fa nisy ny famoahana basy tamin’ireo toby maro samihafa teto Antananarivo nandritra ny krizy sy savorovoro nanomboka tamin’ny 2009 ireny. Nisy ihany koa ireo andiana miaramila fantatra fa namoaka fitaovam-piadiana an-tsokosoko tamina toby maro teto, indrindra fa nandritra ireo fikomiana tahaka ny teny amin’ny FIGN sy ny RAS ary ny BANI. Fa ny mahagaga dia ny hoe nahoana no tsy notohizana sy nohalalinina ny fanadihadiana fa dia notsotsorina, azo antoka fa mahafantatra tsara ireo tompon’andraikitry ny filaminana fa mbola misy basy mivezivezy any ho any satria mety tsy ampy ny tao amin’ny toby. Koa nahoana no tsy nokarohana izy ireny. Ary raha misy ihany koa ny hoe miaramila na zandary, na polisy mampanofa basy omena ny jiolahy, dia nahoana no afaka manao izany an-kalalahana izy ireo ?

Efa ho roa herinandro izao no misy fanafihana mitam-piadiana isaky ny alina, eny Ampitatafika, Itaosy, Alasora, Ivato, Andoharanofotsy, Antananarivo renivohitra ; kanefa tsy hita marina izay tena vokatry ny fanadihadiana, raha nisy anefa ireny hoe raharaha fametrahana baomba ireny dia mailaka ery nampiantso ny mpanao gazety ny mpitandro ny filamianana nilaza fa mandroso ny fanadihadiana ary efa misy tratra iero nahavanon-doza. Izany fitrangan-javatra hafahafa izany nomahatonga ny olona sasany ho resy lahatra fa ao raha matoa mitarazoka ny fanadihadiana mikasika azy ity.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT