Anisan’ny vaovao lehibe tamin’ny herinandro lasa ny fandravana trano teny Ankadimbahoaka.
Misy ireo nanararaotra iny toe-javatra iny mba hisehosehoana fa akaikin’ny vahoaka madinika dia ny MAPAR izany tamin’ny alalan’ny depiote vitsivitsy lany teto an-drenivohitra. Tsy naharenesam-peo mihitsy kosa ny fitondram-panjakana raha tsy ny faran’ny herinandro teo, izany hoe efa mavaivain’ny fanakianana noho ny tsy fijerena ireo traboina sy ny filazana fa fanomezana laka ny vahiny. Nilaza ny minisitry ny mponina Johasy Eléonore fa efa nisy ny fijerena ny fiainan’ireo mponina lasa mitafo lanitra ireo sy ny fihaonana tamin’ilay tompon’ny tany mba hisian’ny fitsinjovana iretsy rodana trano. Miantso ny daholobe koa ny tenany tsy ho variana amin’ny fihetseham-po be fahatany satria ny fanjakana koa dia saropiaro amin’ny fanarahan-dalàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.