Manomboka anio ka mitohy amin’ny fiandohan’ny herinandro ambony ny adina am-bava amin’ny fanadinana fandraisana ireo mpianatra mpitsara taom-pianarana 2010-2011.
Izay tafavoaka amin’ity fanadinana andiany faharoa ity no voaray ho mpianatra eny amin’ny sekoly manofana mpitsara sy mpirakidraharaha na ENMG Tsaralalàna. 25 isaky ny lalam-piofanana hatrany mazana no raisina isan-taona. Marihina fa misy lalam-piofanana telo eto an-toerana dia ny fanofanana ho “Magistrat judiciaire”; “Magistrat administratif” ary ny “Magistrat financier”. Misy amin’ireo mpiadina anefa no manahy ny fahadiovan’ny fitsarana sy ny fifaninanana amin’ny ankapobeny mihitsy.
Nisy tamin’ireo voaantso hiatrika ny adina am-bava ao amin’ny lalam-piofanana “judiciaire” mantsy no nilaza ho nahita mialoha andiana fanontaniana miisa 22 izay voalaza fa anisan’ireo hanadinana amin’ny taranja fahalalana ankapobeny izay hotontosaina anio alakamisy 13 janoary. Laza adina 8 amin’ireo fanontaniana voalahatra no hatao antsapaka ka hanadinana ny mpianatra tsirairay raha ny vaovao nomena azy ireo hatrany. Ho fantatra amin’ity anio noho izany ny mampitombina na tsia ny ahiahin’ireto mpiadina ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.