Olona iray no efa voasambotra ary natolotra ny fampanoavana omaly alarobia 19 septambra nandritra ilay raharaha fandorana fiara mpialoha lalana ny praiminisitra Ntsay Christian teny Ivandry ny herinandro lasa teo.
Voasokajy ho fanimbana ny fananam-panjakana mantsy ireny, hoy ny contrôleur general de police Andrianirina Alain Bruno. Avy amin’ny fampitam-baovaon’olon-tsotra no nahatrarana ity olona iray ity. Anisan’ireo nanendaka ny olona teny an-toerana tamin’io fotoana nitrangan’ny fahamaizana io izy, namadika ilay fiaran’ny praiminisitra ihany koa sady nandoro. Mbola nohamafisina ireo tamin’ny alalan’ny « camera de surveillance ». Nomarihiny manokana fa nanondro namana hafa io olona iray io ary efa eo am-pikarohana azy ireo ny manampahefana ankehitriny. Ho an’ireo zaza roalahy kely voadonan’ilay fiara may kosa dia fantatra fa efa mihatsara ny toe-pahasalamany ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.