Valaketraka tanteraka indray ireo fianakavian’ny maty tamin’ilay raharaha fanafihan-dahalo narahina doro trano nahafatesana olona ny alin’ny sabotsy 13 oktobra 2012, tao amin’iny Fokontany Fisaorana, Kaominina Bemaha-Betafo.
Fivoahana fanindroany izao satria efa nisy ny fivoahan’izy ireo ny fonja ny 17 janoary 2013 ka nanaovan’ny fianakaviana fitarainana ny 07 martsa 2013 ka nisamborana ireo nahavanon-doza ary naverina am-ponja miandry ny fitsarana. Ny 21 aprily 2014 teo indray anefa dia nivoaka ny fonja izy ireo ary mampihorohoro ny fianakavian’ny maty any Bemaha any amin’izao fotoana. Raha ny nambaran’ny fianakaviana izay nitaraina dia sahin’ireo olona ireo ny milaza fa : «mbola tsy vita ny ‘Filma’ fa tsy maty ny ‘Rôle’ ka hitohy ny tantara».
Trangan-javatra toy izao no mampirongatra ny fitsaram-bahoaka
Marihina fa miisa 10 lahy izy ireo no tena voatazona am-ponja fa nandray anjara tamin’ny fanafihana sy fandorana velona olona niisa 14 tao an-tranony tamin’izay, raha toa ka tafakatra ho 43 no nanaovana fanadihadiana tamin’izany. Nambaran’ireo fianakaviana moa fa efa tsy fantatr’izy ireo intsony ny tokony hatao satria ny fitsarana ireo olona ireo tsy mbola mandeha fa voalaza fa mbola mandeha ny fanadihadiana kanefa efa mivoaka ny fonja ireo olona tompon’antoka ary miverina eny anivon’ny fiaraha-monina, ka vaka tanteraka ny sain’izy ireo. Ny raim-pianakaviana iray isan’ny mpitory moa izay nanan-janaka maty may tamin’io fotoana io dia nijanona tampoka mihitsy ny fony tamin’ny fahafahan’ireto jiolahy ireto voalohany, ary ireo mponina any Bemaha dia efa manahy valifaty indray amin’izao fotoana. Trangan-javatra toy izao moa no mahatonga ny Fokonolona lasa mandray fanampahan-kevitra ka manao fitsaram-bahoaka satria heverin’izy ireo ho fiarovana ireo jiolahy fotsiny ny fitsarana sy ny manodidina azy ka aleon’ny olona vitaina izay jiolahy tratran’izy ireo ho anatry ny sisa. Mampalahelo tanteraka !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.