Namoaka fanambarana iombonana mitondra ny datin’ny sabotsy 15 septambra momba ilay lozam-pifamoivoizana teny Ivandry ny talen’ny fiarovana ny praiminisitra sy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena.
Voalaza ao fa nisy ny olona efa voasambotra ahiahiana ho tompon’antoka tamin’ny fanimbana sy fandorana ny fananam-panjakana (Fiara) ary mbola mitohy ny fanadihadiana eo anivon’ny sampana ady heloka bevava (Brigade Criminelle). Ny Commissariat Central eny Tsaralalana kosa no manadihady ny momba ilay lozam-pifamoivoizana. Manazava moa ity fanambarana ity fa sokajiana ho fihetsehana ofisialy avokoa ny dia rehetra ataon’ireo tompon’andraiki-panjakana ka dia mampihetsika avy hatrany ireo fepetra fiarovana : fiara sy moto mpitari-dalana, Anjomara, Jiro mirehidrehitra sy mitsitapitapy ary ny hafainganam-pandehan’ny andiana fiara rehetra na ny kortezy. Midika izany fa laharam-pahamehana avy hatrany ny andiana fiarana andrim-panjakana mba hahafahana mampihatra ireo fepetram-piarovana manokana takiana ireo, hoy ny fanambarana. Araka ny voalazan’ny lalàna dia miantona avokoa ny toromarika mahazatra amin’ny lalàn’ny fifamoivoizana mandritra ny fotoana andalovan’ilay andiana fiara ka tafiditra amin’izany ny fahafahana manao ny “sens interdit” raha toa ka ilaina. Ny talen’ny fiarovana irery ihany no mamaritra ny lalana sy ny zotra arahan’ilay olom-panjakana arovana ary tsy manana ny teny ambarany ao anatin’izay mihitsy io olom-panjakana io. Tsy azony atao ny mijanona na mivoaka ny fiara na manao ahoana na manao ahoana. Andraikitry ny olom-pirenena tsirairay, hoy ihany ny fanambarana ny fitandremana takian’ny fepetra fiarovana. Marihina fa ireo filohana andrim-panjakana irery ihany miaraka amin’ny fiara mpamonjy voina, mpitondra marary sy an’ny mpitandro ny filaminana no manan-jo hampihatra ireo zavatra voalaza ireo fa tsy hoe ny manampahefana rehetra. Miezaka manazava mafy ny fitondram-panjakana fa tsy nisy ny fandikan-dalàna nataon’ny kortezin’ny praiminisitra ary ny olona mampiasa ny moron’arabe no tokony hijery tsara sy hitandrina fatratra vantany vao misy manampahefana mandalo. Na izany aza, andrasana ny vokatry ny fanadihadiana raha hisy hivoaka satria misy ihany koa ny antsoina hoe fanamparam-pahefana izay melohin’ny lalàna ihany koa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.