Tsy mbola lavorary ny fanagonana ny hetram-panjakana. Raha adika tsotsotra dia mbola betsaka ny vola tokony hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana no very, araka ny fahitan’Atoa Georges Tsibouris azy, iraky ny tahirim-bola iraisam-pirenena eto Madagasikara.
Efa tsapa ny ezaka ataon’ny fanjakana, hoy ity vahiny ity, saingy tsy mbola ampy. Noho izany dia tapaka fa hisy ny fanaraha-maso ny fandoavan-ketra sy ny fanatsarana ny fomba fiasa. Tsy afa-misaraka amin’izany moa matetika ny famoronana tataon-ketra vaovao. Tsikaritra fa ireo mpiasa madinika no tena mandoa hetra fa ireo mpanana sy akaiky ny mpitondra sasany tsy mba voateriterin’izany. Handray mpanaramaso ny hetra miisa 200 sy mpiasa irakiraka hamory hetra 200 ihany koa moa ny fanjakana ato ho ato. Mazàna dia tsy marisika ny vahoaka handoa hetra noho ny tsy fahafantarany mazava ny lalan-kalehan’ireo vola alaina aminy.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.