Actualités

Fandoavan-ketra ataon’ny mpivarotra Tokony hisy ny tamberim-bidy sy fiahiana ara-tsosialy


  • Zoma 08 Jona 2018

Nandritra ny fitakiana nataon’ny Fikambanan’ny Mpivarotra Mitovy Fijery (FMMF) tetsy amin’ny Hotely Ny Railovy Andohan’Analakely no nanambaran’izy ireo ny rindran-daminy ny amin’ny resaka hetra aloa.

Nisy ny soso-kevitra ny amin’ny tokony ho tamberim-bidy ny amin’ny hetra alaina amin’ny mpivarotra. Betsaka mantsy ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna  izay tsy ao anatin’ny faritry ny tsena no tsy mandoa hetra. Mila mandoa hetra avokoa anefa ny mpivarotra rehetra raha ny tokony ho izy. Ho an’ireo mpandoa ara-dalàna dia tokony hisy ny tamberim-bidy amin’izy ireo. Ohatra amin’izay ny tokony hanamboarana sy  ny hanatsarana tsena. Mila hita mivaingana ny tombontsoa azo ho an’ireo mpandoa hetra ara-dalàna, saingy hatreto dia tsy misy izany. Nanambara ihany koa izy ireo fa tokony hisy ampahany mankany amin’ny fiahiana ara-tsosialy tahaka ny hoe CNAPS ny fandoavana ny hetra tambatra ataon’izy ireo mba ho fitsinjovana ny fahanterana rahatrizay satria iaraha-mahalala fa tsy mba misy ny retirety ho azy ireo.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT