Hisongadina ny hetsika fanatsarana endrika amin’ny alalan’ny fambolena sy fanatsarana ny zaridainan’ny tanànan’i Toamasina amin’ny Fetin’ny Asa ny 01 mey izao. Efa tsara fiomanana ny amin’izany ireo mpiasan’ny Kaominina ambonivohitra Toamasina ankehitriny ka manaraka fiofanana ao amin’ny tranomboky “Bibliothèque municipale” Toamasina mandritra ny roa andro, dia ny 24 sy ny 25 aprily izao. Fiofanana vokatry ny fangatahan’ny teo anivon’ny Kaominina ihany tamin’ny orinasa Ambatovy ka nanomezan’ireto farany ny traikefa teknikan’ny CTHT nampita ny toromarika sy ny tsara ho fantatra ara-teknika hanatsarana ny tanjona fanomezana endrika sy fanatsarana zaridaina mitomandavan’ny tanànan’i Toamasina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.