Actualités

Fanararaotana noho ny rivodoza Misy mivarotra 1500Ar ny kapoakan’ny vary any Sambava


  • Zoma 20 Janoary 2023

Ankoatra ny fahavoazana ara-materialy sy amin’ny maha olombelona nateraky ny rivodoza sy ny andro ratsy.

Mandeha sahady ny fanararaotana amin’ny resaka vidin-javatra any amin’ny faritra sasany, tahaka ny miseho ao Sambava, raha ny fanamarihana. Misy mantsy ireo mpivarotra sasany lasa manararotra mampiakatra ny vidim-piainana am’izao fisian’ny andro ratsy izao. Ny vary, ohatra, misy mivarotra 1500Ar ny kapoaka, ny arina fandrehitra tafiakatra hatrany amin’ny 50 000Ar. Manaitra ny tompon’andraikitra mahefa noho izany mba handray fepetra hentitra eo anatrehan’ny fanararaotana tsy ara-drariny satria sady efa lasibatry ny loza voajanahary ny vahoaka, mbola voavelin’ny vidim-piainana midangana. Tsy any any amin’ny faritra misy andro ratsy sy traboina ihany, fa tena mila henjanina ny fepetra eo anatrehan’ny fanararaotana, fa mila mitady vahaolana ihany koa ny Fanjakana eo anatrehan’ny fahantrana lalina izay mampihena ny fahefa-mividin’ny Malagasy, ary indrindra ny fifehezana ny sondro-bidim-piainana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT