Actualités

Fanararaotana mamoafady amin’ny ankizy Tsy fantatra mazava ny antontanisa


  • Zoma 01 Jona 2018

Nosoniavina omaly tetsy amin’ny Espace Dera Tsiadana ny fanamafisam-piaraha-miasa eo amin’ny Ecpat, sampandraharaha miady amin’ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy eto amintsika sy ny minisiteran’ny mponina (MPPSPF).

 Raha ny fanazavana, ny hanena ity karazam-panararaotana ity sy ny fiantraikany no tanjona. Anisan’ny hitrangan’izany any an-tsekoly ary endriny ihany koa ny fampiasana zaza tsy ampy taona amina tontolo mamoafady izay. Efa nisy ny fampiofanana nomena ireo tompon’andraiki-panjakana sy ny lehilahy resy lahatra hiady amin’ity fanararaotana ity. Nanambara ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny mponina fa efa tamin’ny 1991 isika no nanasonia ny fifanarahana iraisam-pirenena fa hiady ho fiarovana ny zon’ny ankizy, indrindra fa ireo fianakaviana marefo. Olana amin’izao fotoana, satria saropady ilay resaka, dia tsy misy antontanisa fantatra mazava momba izay tahana fanararaotana mamoafady izay. Efa eo am-panaovana izany kosa anefa ankehitriny, hoy ny fanazavana, ary faritany 6 izay heverina ho tena hirongatan’izy ity aloha hatreto no iasana dia i Nosy be, Antsiranana, Toliara, Antananarivo, Fianarantsoa ary Mahajanga.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT