Nampidirin’ny Fitsarana am-ponja telo volana ny mpampianatra iray ao amin’ny oniverisiten'i Barikadimy Toamasina.
Nisakaiza tamina tovovavy mpianany ilay ramose, saingy efa nisaraka izy roa ka taorian’izay no niseho ny olana. Nampangain’ilay mpampianatra ho nangalatra "disque dur" ny solosainy ilay tovovavy ka voatery nohidiana "violon". “Ny hanapotika ny hoavin’ny zanakay mihitsy no tiany hatao”, hoy ny ray aman-drenin’ilay tovovavy teo anoloan’ny Fitsarana. Naharitra ora roa mahery ny fifandaharana. Niezaka ny niaro azy ny mpisolovavan’ity mpampianatry ny oniversite ao Toamasina ity, nefa araka ny fanambaran’ny mpitsara dia vesatra roa no nanenjehana ity mpampianatra ity, dia ny fanaovana hetraketraka tamin’ilay tovovavy sy herisetra ara-tsaina sy moraly. Izay no nahatonga ny mpitsara namoaka ilay telo volana am-ponja sy onitra vola efatra hetsy Ariary noho ilay fiampangana faharoa, raha nafahana noho ny fisalasalana kosa tamin’ny heloka voalohany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.