Actualités

Fanapenam-bava Lasibatra koa ny mpiasan’ny IGE


  • Alarobia 10 Aogositra 2016

Irahina hanao fanadihadiana ny fampiasana volam-bahoaka, nefa avy eo saziana rehefa mamoaka ny marina.

 

Eto Madagasikara indray no misy an’izany, ary mpiasa ao amin’ny mpisafo raharaham-panjakana no lasibatra. Mpiasa telo no nomena iraka hamotopototra ny marina momba ny nampiasana ny volabe 400 tapitrisa Ar tao amin’ny Kaominina ambanivolo, Ambohimahamasina, Distrika Ambalavao, Faritra Matsiatra Ambony. Tao anatin’izany no nitsikafonan’ny tsy fanarahan-dalàna satria vola miditra androany amin’ny Kaominina, dia nafindra tampoka any amin’ny kaontin’olon-kafa nony ampitso.

“Asam-panjakana no nampanaovina azy ireo, notanterahin’izy ireo tamim-pahamarinana ary nanaovan’izy ireo tatitra izany. Sazy anefa no niandry ireo mpiasa ireo nony aty aoriana”, araka ny fanazavan’ny Me Olala, mpisolovava azy ireo. Nanapaka ny Filankevitry ny fitsipi-pifehezana fa miova asa, tsy ho Mpisafo raharaham-panjakana intsony izy telo. Sampana miankina amin’ny Fiadidiana ny Repoblika anefa moa ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) ka ny filoham-pirenena ihany no tompon’ny teny farany momba ny sazy telo ireo. Nahazo tatitry ny fanadihadian’ireto mpisafo raharaham-panjakana ireto ny praiminisitra Ravelonarivo Jean, dia iny nesorina iny. Miitatra any amin’ireo nanao ny fanadihadiana indray izao ny raharaha, tonga hatrany amin’ny fanapahana karama na fandefasana misotro ronono mialoha ny fotoana avy hatrany. Amin’ny mpitazana dia endrika fanapenam-bava indray ity, rehefa mahatsiaro voatohintohina ny mpitondra.


 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT