Tahaka ny sehatr’asa rehetra eto amin’ny firenena dia mandalo krizy koa ny asa fanaovan-gazety.
Izany moa dia hita amin’ny fisian’ny tsindry maro samihafa miantraika mivantana amin’ny mpanao gazety, na ny orinasa mampiasa azy, indrindra moa fa ireo izay sahy milaza ny tsy mety ao anatin’ny tetezamita. Tokony hisy ny fomba hafa, hifampiresahana, raha toa ka misy ny tsy mety ataon’ny mpanao gazety fa tsy voatery taratasy fampitandremana sy sazy ary fanakatonana sy fanagadrana foana no arangarangan’ny mpitondra.
Ity fitondrana tetezamita ity moa dia nahavita be mihitsy tamin’ny fanagadrana na fitazonana am-ponja mpanao gazety sy tamin’ny fanakatonana haino aman-jery. Efa izay ihany anefa no nanakianana ny fitondrana teo aloha, noho ny nanakatonana ny fahitalavitra Viva ny 12 desambra 2008. Misy ny fanapahan-kevitra mila fandinihana lalina vao raisina, manaja ny lalàna ny olombelona fa tsy andevozin’ny lalàna, hoy ny mpandinika iray. Midika izany fa misy fomba maro ampiharana ny lalàna ary tsy maintsy mifandraika amin’ny zava-misy sy iainana ny fanapahan-kevitra raisina, fa tsy atao tery vay manta. Mahaliana ny maro ny raharaha mampifanolana ny Free FM amin’ny SITRAM an’i Edgar Razafindravahy. Nahazo rariny teo amin’ny fitsarana moa ity farany omaly, saingy tsy mbola vita ny tantara, hoy iretsy voalohany. Nihetsika ny sendikan’ny mpanao gazety mba ho fanohanana azy mianadahy mpanentana ao amin’ny Free FM, tonga hatreny amin’ny fidinana an-dalambe sy fanaovana kabary izany, omaly. Nahitsy sady nazava ny resaka tao fa dia manohintohina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny fitondrana tetezamita, mila miala ny minisitry ny serasera Rahajason Harry Laurent, ary nisy ihany koa ny antso avo natao amin’ireo rehetra tsy mankasitraka ny tsy rariny mba hijoro sy tsy hanaiky lembenana.
Olana fototra
Tsy mifantoka amin’ny fampisondrotan-karama ny fitakian’ny mpanao gazety, fa mifototra kosa amin’ny fanajana ny fahalalahana manome vaovao sy mamoaka hevitra, izay arofanina ho an’ny mpitondra mba tsy hampibirioka azy ireo. Tena saropady be anefa io asa io, satria mora tenenina fa sarotra ampiharina, izany hoe manaja ny fahalalahan’ny hafa. Ny manahirana eto Madagasikara koa, aleo tonga dia tsorina fa matetika manohana firehana politika iray ny mpanao gazety, dia tsy maintsy misy foana ny mpanao gazety manohana ny fitondrana, dia misy koa ny manohitra. Tahaka izany koa ireo orinasan-tserasera isan-tsokajiny. Mahasarotra ny toe-draharaha izany satria mifangaro ao amin’ilay vaovao tenenina na soratana, ny fampitam-baovao sy ny fanohanana ilay firehana politika, ary ny hevitra manokan’ilay mpanao gazety. Vao mainka sarotra ny raharaha raha toa ka manana tanjona na kajikajy hafa io mpanao gazety io, tahaka ny hoe mba te ho lasa depiote, na Ben’ny tanàna, na minisitra. Fotoan’ny fanovana izao ka tokony hisy ny fikaonan-doha lehibe hanitsiana ny tsy mety sy hanatsarana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, mba tsy hiverenan’ny fifanenjehana sy fifamaliana faty, ary mba hialana amin’ny fifanasana vangy isaky ny mihetsika. Azo atao tsara ny mifampiresaka sy mikaroka vahaolana mety amin’ny rehetra. Tokony ho modely ao amin’ny fiarahamonina ny mpanao gazety. Mampita, mampianatra, mitsikera, kanefa tsy mampiady sy tsy miantso olona hikomy na hitokona no anjara asany. Sehatra hafa no tokony hanao izany. Fitaovam-piadiana mahery vaika ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety ka mila fitandremana ny fampiasana azy, ary tena zava-doza ho an’ny fiarahamonina izy io, raha toa ka tonga eny am-pelatanan’ny olona tia tena, mieboebo sy tsy mahafehy ny hambom-pony, na manana eritreri-dratsy tsotra izao !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.