Omaly alatsinainy no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato i Tsaradia, Fiaramanidina voalohany hisidina manerana ny Nosy.
Io kaompania io moa dia tena an’ny Air Madagascar 100%. Hisy, araka izany, ny sidina ana habakabaka vaovao ifandraisan’ireo faritra maro eto Madagasikara. Izany moa dia mariky ny fandrosoan’ny fitaterana ana habakabaka Malagasy sady taratry ny fandrosoan’ny firenena mihitsy, hoy i Eric Koller filohan’ny filankevi-pitantanana. Tsiahivina fa nandritra ny fito volana no namolavolana ity tetikasa ity ary 300 mahery no niara-namolavola azy. Hiezaka ny handrakotra tanteraka an’i Madagasikara amin’ny sidina isan’andro ny Tsaradia. Noho ny fandaharan’ny sidina novolavolaina ao moa dia hitombo 80% ny masoivoho rehetra ary hiakatra 52% ny sidina isan-kerinandro. Hisy ihany koa ny sidina isan’andro mampifandray an’ireo faritra maro tahaka ny mankany Antsiranana, Toamasina, Nosibe, Toliary ary Tolagnaro. Tombony lehibe izao amin’ny fampiroboroboana ny sehatra fizahantany, indrindra amin’ny resaka fifandraharahana ary hiantefa mivantana amin’ny toekarena. Ankoatra izay dia niteraka asa ny fisian’ity kaompaniam-pitaterana vaovao ity satria olom-baovao miisa 210 no nampidirina ao. Tanjona maika koa ny hanafoanana tanteraka ny trosan’ny Air Madagasiscar afaka volana vitsivitsy. Hiezaka hanatsara tanteraka ny sary sy tolotra Air Madagascar ihany koa ity Tsaradia ity ary nanome toky ny mpanjifa fa hanome ny tsara indrindra hatrany.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.