Actualités

Fananganana fotodrafitrasa eny Ampitatafika Hiteraka tombontsoa ho an’ny mponina


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Taorian’ny fivoahan’ilay didim-panjakana laharana 2018-372 ho an’ny kaominina Ampitatafika ka naneken’ny fanjakana ny hanaovana tanana vaovao ny ao amin’ny tanimenabe dia fantatra fa efa miroso tanteraka amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny kaominina ankehitriny.

Nambaran'ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina fa anisan’ny tanjon’izy ireo ny mba  hahafahana miantso mpandraharaha maro hampiasa vola ao amin’ny kaominina iadidiany no sady hanome asa sy fidiram-bola maharitra ho an’ny mponina koa. Voakasik’izany manokana ireo mikasa ny hanajary tany mihoatra ny 2 ha ao an-toerana. Manomboka any amin’ny fividianana ireo karazana akora ilaina amin’ny asa fanamboarana dia efa tokony hahazo tombony amin’izany ny mponin’Ampitatafika. Nomarihiny manokana moa fa vonona ny kaominina Ampitatafika hanaja araka ny tokony ho izy ny mari-drefy nomen’ireo teknisianina amin’ny fanamboarana ilay tata-drano eny amin’ity faritra ity hahafahan’ny rano maloto mivoaka fa tsy sanatria hiangona hanimba zavatra. Manantena ny ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina fa sady hiteraka asa sy fidiram-bola ho an’ireo mponina ao aminy ny fisian’izao tanana vaovao izao no sady hanome endrika sy hampandroso ny tanana ihany koa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT