Actualités

Fanampiana ny sehatra tsy miankina Hanome 14 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena


  • Alarobia 25 Febroary 2015

Hanome vola 14 tapitrisa dolara ho an’ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara ny banky iraisam-pirenena. Izay no nisongadina tamin’ny fihaonan’ny minisitry ny indostria sy fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina Narson Rafidimanana sy ny solontenan’ny banky iraisam-pirenena eto amintsika Rtoa Coralie Givers omaly.

 

 Atokana amin’ny fanamafisana ny fifampiresahana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny 11 tapitrisa dolara amin’io, raha toa ka natao hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana kosa ny 3 tapitrisa dolara ambiny. Heverina fa hanatsara ny filaharan’i Madagasikara ao anatin’ilay mari-pandrefesana ny tontolon’ny fandraharahana « Doing Business » izao fanampiana atao  izao. Ho eo anilan’i Madagasikara hatrany amin’ny fampivoarana ny toekarena ny banky iraisam-pirenena, hoy Rtoa Coralie Givers ary nanome toky izy fa hitohy ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ity fikambanana mpampindram-bola iraisam-pirenena ity sy ny sehatra tsy miankina Malagasy. Tsy mbola fantatra mazava kosa anefa ny hahazoana io vola fanampiana io.


Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT