Actualités

FANAMBOARAN-TRANO Ny fikarakarana ny taratasy sy ny fanaraha-maso ny mpandrafitra no tena manahirana


  • Alarobia 11 Febroary 2015

Ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny fanaraha-maso ny mpandrafitra amin’ny ankapobeny no tena olan’ny rehetra amin’ny fanamboaran-trano eto an-drenivohitra.

 Aleon’ny rehetra araka izany mividy vita tsy misy arakaraka toy ny tolotra omen’ny MML Immobilier na ny Malagasy Mamorona Lalandava izay mandray vonona avy hatrany. Misy karazany telo ny tolotra omen’ny MML Immobilier raha araka ny fanazavan-dRakotomalala Herimandresy, tompon’andraikitra ara-barotra ao aminy. Voalohany ny trano iray mirefy 70 m2, faharoa ny trano efitrano roa mirefy 90 m2 ary fahatelo farany ny trano misy efitra telo mirefy 100 m2 izay samy amina velarana 300 m2 avokoa. Hatreto dia efa marobe sahady no nanao ny famandrihana ka ny efitrano telo no be mpitia indrindra na ho an’ny teratany malagasy izany na vahiny. Manomboka amin’ny 15 tapitrisa Ar ny vidiny aloha mandritra ny 12 volana ka anisan’ny fepetra takiany amin’ireo liana ny fandoavana ilay 30 % mialoha ny hirosoana amin’ny fitsidihana ilay toerana eny amin’ny PK 9,5 eny Alasora. Tanjona, raha ny fanazavana azo hatrany ny hananan’ny Malagasy rehetra tany sy trano manara-penitra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT