Actualités

Fanalana mpivarotra amoron-dalana Ho hentitra ny kaominina manomboka izao


  • Zoma 12 Aogositra 2016

Mitohy hatrany ny asan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana eto amintsika.

Niverina tamin’ny heriny indray ireo polisy monisipaly mandray an-tanana ny asa nanomboka omaly notronin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina. Teny amin’ny pavillon Analakely no nisantaran’izy ireo  izany ho an’ny Boriborintany I. Fantatra nandritra izany fa ho hentitra ny kaominina manomboka izao ary tsy hijanona intsony raha tsy tapitra  tafiditra anaty toerana ara-dalàna avokoa ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra.  Ny mba hananana tanàna madio, tsy misy fitohanana  no sady lavitry ny mpanendaka no tanjona. Mikasika izay fandriampahalemana izay ihany moa dia fantatra fa ho hentitra amin’ny fisavana ny kara-panondron’ireo mpivezivezy amin’ny alina eto an-drenivohitra ihany koa ireo tompon’andraikitra misahana izany manomboka izao. Nisy tamin’ireo mpivarotra no nanaiky niala mora foana omaly. Nisy ihany koa ireo nizirizy  tamin’ny heviny tsy nety nanala ny entany. Ho an’ny Boriborintany fahefatra manokana dia fahombiazana sahady no efa azo noho ny fihenan’ireo mpivarotra  amoron-dalana isan’andro.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

Hijery ny tohiny
FTT