Nezahina naely tamina haino aman-jery vitsivitsy nanomboka ny herinandro teo ny fanosoram-potaka ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ho nivarotra ny tany misy ny CEG etsy Analamahitsy.
Fanalam-baraka hamotehana azy no tanjona, ka re hatramin’ny hoe kendrena ny hanoloana ny ben’ny tanàna ho filohan’ny delegasionina manokana na PDS. Hatramin’i Marc Ravalomanana aza ezahina hampidirina ao anatin’io raharaha io mba handotoana azy angamba satria efa akaiky rahateo ny fifidianana. Efa naka vaovao tany amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izahay ny herinandro teo satria voatonontonona tao ny kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA), ka rehefa nojerena dia tanin’olona no misy ny CEG, ary ananan’ilay olona “titre”, hoy kosa ny valin-kafatra avy amin’ny Lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna, Kolonely Ramboasalama Emilien omaly. Saika horavan’ny olona io CEG io noho izany, ka tsy mety izany fa tsy maintsy mijery kosa ny CUA ny momba ny ankizy sy ny tombontsoan’ny rehetra. Nanatona anay ny minisitera amin’izay fijerena ny tombontsoan’ny ankizy izay fa niteny ny CUA hoe : tsy azonareo ravana io, fa raha handrava an’io ianareo, dia manaova sekoly vaovao ho an’ny mpianatra, izay vao alainareo ny taninareo, hoy ny avy eo anivon’ny Kaominina mantsy ireo voalaza fa tompon’ny tany sy ny minisitera. Tsy an’ny fanjakana, tsy an’ny kaominina ny tany, ka tsy manana zo hivarotra izany ny CUA satria ny tany tsy azy akory, hoy ny lefitry ny ben’ny tanàna. Raha ny hoe tsy maintsy manamboatra CEG vaovao ianareo, dia izay no nanaovana fifanarahana na “convention”, niarahana tamin’ny minisitera sy ny tsy miankina, fa raha ny hoe fivarotana tany izay dia tsy nanao izany izahay, ary tsy hanao izany mandrakizay, hoy hatrany ny kolonely Emilien Ramboasalama. Fiaraha-miasa amin’ny MEN amin’ny fananganana CEG no nisy mba ho fiarovana ny tombontsoan’ny ankizy, hoy ny fanazavany.
Tsy hipetra-potsiny ny eo anivon’ny CUA, fa hametraka fitoriana noho ny fanelezana vaovao tsy marina, raha ny vaovao azo omaly. Hisy ny valandresaka hataon’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fanabeazana Andriamampandry Todisoa sy ny avy amin’ny fiadiadian’ny CUA eny amin’ny CEG Analamahitsy anio amin’ny 10 ora momba ity raharaha ity. Mety hiteny ihany koa ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana anio.
Legende:Tsy mivarotra tany izany mihitsy ny kaominin’Antananarivo Renivohitra hoy ny kolonely Ramboasalama Emilien, lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.