Tsy maniry loza fa manangasanga any ny karazana gidragidra eto amin’ny firenena. Miakatra ny maripana politika ary mandeha ny karazana don-tandroka avy amin’ireo kandida filoha, indrindra fa ireo sokajiana ho vaventy.
Malaza sy mibaribary ny fampiasana volabe ary misy mihitsy no voalaza fa mividy safidim-bahoaka amin’ny fomba samy hafa. Inona indray no hatao raha sanatria hisy ny gidragidram-pifidianana ? Iza no tompon’andraikitra ? Hahasoroka ny sakoroka ve ny HCC sy ny CENI ary ny governemanta ? Samy afaka manakarama milisy avokoa ireo kandida goavana sasany, izay efa misy ny nanao don-tandroka. Ny amiraly Didier Ratsiraka, ohatra, dia efa ireny niaraha-naheno ireny ny fanambarany fa misy kandida efa nanafatra sy nampiditra basy eto. Etsy an-kilany, fifanarahana sy antoka mazava haneken’ny kandida tsirairay ny voka-pifidianana eo, na dia efa misy 26 aza ireo solontenan’ny kandida no niditra ho mpikambana vonjimaika ao amin’ny CENI. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no tena milalao ny teti-panorona amin’ny fitantanana ny firenena. Ity andrim-panjakana ity no mitondra ny baolina, ka manao ny mafana sy ny mangatsiaka eto amin’izao fotoana ary toa niainga tao avokoa ny fanapahan-kevitra rehetra momba ny fitondrana an’i Madagasikara. Natao hanara-maso ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny lalàmpanorenena, saingy maro ireo toe-javatra niteraka adihevitra. Tao ny nilana ny fandraisany andraikitra kanefa karazan’ny notazanim-potsiny. Rehefa tahaka ny ahoana no arahina amin’ny antsipirihany ny lalàna ary rehefa tahaka ny inona no azo dikaina ? Nisy ny fifanarahan’i Maputo dia tondrozotra izay navadika ho lalàna hitondrana ny tany sy ny fanjakana tamin’ny taona 2010, saingy tsy misy voahaja izay voasoratra tao anatiny kanefa tsy miteny na kely monja aza ny HCC. Tsy voahaja ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana momba ny fanendrena praiminisitra tamin’ireo praiminisitra 3 nifanesy tao anatin’ny fanjakana Rajaonarimampianina, saingy tsy nisy resaka fa nandeha ho azy. Ny farany teo dia nekena fa nanitsakitsaka ny lalàmpanorenana ny filoha, saingy ny governemanta no noravana. Hahavita hisoroka ny mety ho gidragidra ve amin’ity indray mitoraka ity ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.