Tsy misy hidiran’ireo maintimolaly ny resaka raharaha sekoly Saint Vincent de Paul Ambatonilita.
Sekolin’ny diosezin’Antananarivo io, ka rehefa ny tompon’ny sekoly no manapa-kevitra hoe tsy hatao sekoly intsony, dia misy antanantohatra arahana ao, hoy ny loharanom-baovao iray. Efa notanterahina tamin’ny 9 jona ny fampahafantarana ny ray aman-drenin’ny mpianatra tamin’ny alalan’ny fampivoriana azy ireo nampahafantarana ny fanapahan-kevitry ny eveka Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Novakiana ny fanapahan-keviny, dia hatsahatra ny maha sekoly azy io. Antony roa no mahatonga ny fampitsaharana, dia ny fahanteran’ny fotodrafitrasa efa natahorana hitera-doza. Ny antony lehibe faharoa dia tsy mahavelon-tena ny sekoly, ka tamin’ny volana mey tamin’ny herintaona dia efa noraisin’ny diosezy an-tanana ny fiantohana ny mpampianatra noho ny fihenan’ny mpianatra. Nezahana ny nandray mpianatra faran’izay tratra, ary tsy nisy intsony aza ny fifaninanana na “concours”. Tamin’ny 9 jona dia efa noresahina ireo ray aman-dreny, ary tsy afa-po fa hoe hiresaka amin’ny arseveka, saingy sahirana tamin’ny fandehanana tany Vatican tamin’ny fametrahana ny kardinaly Désiré Tsarahazana anefa ny Monsenera, dia tsy voaray izy ireo. Nametraka ireo mpitantana hoe rehefa tonga izy dia miresaka tsara aminy, saingy tsy niandry izany ireo ankilany, fa namafy lainga tamin’ny haino aman-jery fa hatao toeram-pivarotana lehibe ny sekoly nefa tsy izany fa asa sosialin’ny fiangonana aza no hovinavinaina. Tsy miova intsony ny fanapahan-kevitry ny areseveka, raha ny loharanom-baovao azo hatrany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.