Nisehoana asan-dahalo tao amin’ny Fokontany Antsanana, Kaominina Ambatofitorahana Distrikan’Ambositra ny faran’ny herinandro teo. Dahalo am-polony mirongo basy no nanafika ity tanàna ity tamin’ny andro alina. Nandritra ny fifanjevoana nisy teo amin’ny tompon’omby sy ireto malaso ireto dia voatifitr’ireo dahalo ny renim-pianakaviana iray tompon’omby. Naratra mafy ity farany. Niditra teo ambanin’ny valanoranony havanana ny bala ary nivoaka teo amin’ny havia. Nentina namonjy hopitaly malaky tao Ambositra ilay renim-pianakaviana ka voavonjy ihany ny ainy. Omby 10 no lasan’ireto dahalo ireto nandritra ny fanafihana. Efa nivoaka ny hopitaly ny alahdy teo ilay ramatoa naratra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.