Actualités

Fanafihana mitam-basy teny Ambohimandray Mahitsy Tadidin’ilay zazakely tao an-trano ilay jiolahy


  • Zoma 27 Febroary 2015

Jiolahy mitam-basy miisa dimy no nanafika ny fokontanin’Ambohimandray kaominin’i Mahitsy ny talata 24 febroary teo tokony ho tamin’ny 11ora alina. Tao amin’ny tokantrano iray izy no niditra voalohany ary nitaky vola

 

. Nanohitra ny raim-pianakaviana ka napoakany in-droa ny basy. Avy eo dia notereny ny renim-pianakaviana hanoro ny mpanambola eo an-tanàna. Fianakaviana mpiompy no notafihany avy eo ka nahazoany iray tapitrisa ariary dia navotsony ilay takalonaina. Efa mandeha ny fanadihadiana ary fantatra fa ray aman-drenin’ny mpianatra teo an-tanàna ihany ny iray. Ankizy tao an-trano no nahatadidy azy io. Nisy manamboninahitra hitan`ny  olona nisaodisaody ary toa mitady hanafaka io olona voatana io ny andron`ny fanadihadiana. Hiakatra fitsarana anio zoma etsy Anosy ny raharaha ary hoentina atao vavolombelona ao ilay zaza. Tsiahivina fa toerana lavitry ny lalam-pirenena ity tanàna ity ary tsy misy fiara fitaterana tonga any an-toerana.

Nangonin-dRabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT