Nanararaotra ny orana avy ireto jiolahy no nanafika an’ilay teratany karana ny alin’ny alahady hifoha alatsiniainy. Niditra tao anatin’ny faritra hipetrahan’ity teratany vahiny ity ireo jiolahy nitondra basy.
Nifanehitra tamin’ny mpiambina ny trano ilay vazaha ireo jiolahy ireo ka raikitra ny fitifirana. Taitra raha nahere ny feo basy nipoka ilay tompon-trano. Tafiditra tao anatin’ny trano nisy an’ilay teratany ireto jiolahy ka nosamborina avy hatrany ity farany. Niezaka namely an’ireo mpangalatra ity vahiny ka afaka nitsoka ny efitrano ka nifanenjika. Taoriana io dia nitiftra an’ireo jiolahy ity teratany vahiny ka iray tamin’ireo dimy no voatifitra teo amin’ny kibony ka ny efatra ambony no tafitsoka. Tonga teny amin’ny hopitaly io jiolahy voatifitra io no tapitrany ainy. Nilaza ny mpitandro ny filaminana fa vonona hatrany izy ireo hiaro ny vahoaka sy ny fananany ao anatin’ny trangana fanafihana toy ny niseho ny loza, izy ireo rahateo tonga nanampy an’ilay teratany vahiny taoriana ny fifampitifirana tao Tsararano io.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.