Actualités

Fanafihana mitam-basy Misy olona ambony mifandray telo amin’ny jiolahy


  • Alakamisy 06 Janoary 2011

Ny zandary misahana ny heloka be vava no mandray an-tanana ny fanadihadiana manodidina ny fanafihana ny volan’ny orinasa Keangnam ao Tsararivotra, mitentina 400 tapitrisa ariary latsaka kely farany teo.

Efa tafiditra ao anatin’ny Distrikan’i Toamasina II rahateo no nitrangan’ny fanafihana. Araka ny fantatra dia olona enina no henoina mikasika iny fanafihana iny, ka Koreana ny roa amin’ireo, Filipiana ny iray ary Malagasy ny telo. Ireo Efatra farany ireo dia misahana ny fiarovana eo anivon’ny Keangnam avokoa, ary raha ny vaovao fantatra aloha hatreto dia ny fahasahiana tamin’ireto mpiambina manokan’ny Keangnam ireto no tsy nahalasa ny vola karaman’ny mpiasa volana desambra iny.

Ankoatra izay, dia tsiambaratelo no nahafantarana izao fa misy ifandraisany tamin’ireo jiolahy nanafika ny mpivarotra firavaka tao Bazary be ireto jiolahy efatra nanafika ny volan’ny Keangnam ireto ; porofon’izany ny bala nampiasainy izay kalaky 7,6mm (tena an’ny tafika ny laharany) sy bala na basy manokana PA 9,5mm (tena an’ny mpitandro ny filaminana ny nomeraony). Io tsiambaratelo io ihany koa no nahalalana fa misy olona ambony avy eto Antananarivo mifandray tendro amin’ireo jiolahy ireo, satria toa voalaza fa mpiambina manokana io olona ambony io ireto mpitarika ny fanafihana ireto. Manamarina izany ny fiara 4x4 hitan’ny olona nentin’ireo jiolahy nirifatra tao Betainomby. Tsiambaratelo farany voalaza, dia mbola ao Toamasina ireo jiolahy ireo hatramin’izao, ary manomana asa ratsy hatao indray taorian’ny tsy fahombiazan’ny fanafihana ny karaman’ny mpiasan’ny Keangnam tao Tanandava. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

Hijery ny tohiny
FTT