Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny Fokontany Tsaramiakatra Kaominina Anjoma Ramaritina Distrikan’i Mandoto ny alin’ny alatsinainy 14 aprily 2014 lasa teo.
Dahalo efa ho 50 lahy mahery no indray nanafika ny tanàna, ary miaraka amin’ny basy kalaky mahery vaika ny ankamaroany. Valan’olona telo samihafa tao an-tanàna no notetezin’ireo jiolahy. Nitotaly 200 ny omby no lasan’izy ireo. Nanohitra ny mponina, ka nitifitra ihany koa ireo dahalo. Vokany, telo tamin’ireo Fokonolona no lavon’ny balan’ny dahalo.
Nantsoina ny mpitandro filaminana ka niezaka nanara-dia avy hatrany, ary toy ny mahazatra dia mihazo ny reniranon’i Mahajilo ny dian’omby. Tratran’ny mpanara-dia nampian’ny zandary sy ny miaramila ireo dahalo ka dia raikitra ny fifanjevoana, ary mafy dia mafy izany raha ny voalazan’ny Kaomandin’ny kaompania zandary ao Mandoto, kaomandà Ranarison Olivier.
Tafaverina teo koa ny omby 130 raha tafitan’ny dahalo ny renirano ny 70. Ny alin’ny Talata 15 aprily indray, dia tao Masompieferana, Mandoto indray no notafihin’ny dahalo. Tsy nisy alaharo fa nitifitra avy hatrany ireo dahalo raha voa niditra ny tanàna ka lavon’ny bala ny tompon’omby. Lasan’ireo dahalo ny omby 45, saingy haingana koa ny zandary nanara-dia ka navotsotr’ireo dahalo tsikelikely ny omby nentiny ka tafaverin’ny mpanara-dia avokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.