Manodidina ny 25 400 taonina ny friperia sy lamba lany andro nafarana sy nampidirina
amin’ny tsena teto Madagasikara nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity, araka ny vaovaon’ny fampahalalam-baovao an’habaka iray omaly. Ny vidin’ny fanafarana (CAF) dia mitentina 180,9 miliara ariary, araka ny angona voaangona avy amin’ny tabilao navoakan’ny Fitantanana ankambopen’ny Fadin-tseranana. Tamin’ny telovolana voalohany, dia 9 200 taonina no nampidirina tamin’ny tsena. Tamin’ny telovolana faharoa, dia niakatra ho 16 200 taonina, mitentina 116,4 miliara ariary ny vidin’ny fanafarana. Na dia izany aza, dia nihena 20,13% ny habetsahan’ny friperie sy lamba lany andro nampidirina amin’ny tsena raha oharina amin’ny vanim-potoana mitovy tamin’ny taona 2024, izay nahatratra 31 800 taonina tamin’izany, ho an’ny vidin’ny fanafarana mitentina 193,3 miliara ariary. Isan’ny Firenena itobahan’ny friperia sy ny lamba tonta i Madagasikara, ary tena mamoaka volabe raha raisina amin’io. Tsy azo lavina fa manome safidy mora ho an’ny sarambabem-bahoaka ny friperia. Akanjo sy lamba amin’ny vidiny ambany, izay manampy amin’ny fiainana andavanandro. Saingy ao ambadik’izany, dia misy voka-dratsy lalina manimba ny toekarena anatiny sy ny hoavin’ny indostria Malagasy, mamoaka vola vahiny be,... Marina fa ny indostrian’ny lamba eto saika vahiny, ary haondrana no ankamaroany, saingy mila ampiroboroboana ny famokarana ato anatiny sy ny fanjifana, raha te hampiakatra ny toekarena. Isan’ny mety azo halain-tahaka manodidina ny fepetra momba io i Rwanda nitarika ny fanovana satria nanomboka tamin’ny 2016, tamin’ny alalan’ny politika “Made in Rwanda”, dia nampiakatra hetra be tamin’ny friperia izy, ary nanohana ny indostria anatiny amin’ny alalan’ny fanomezana vatsy sy fanofanana. Na dia nisy tsindry ara-barotra avy amin’ny firenena tandrefana aza, dia nijanona tamin’ny politikany ny Rwandais. I Kenya sy Tanzania kosa dia nandray fepetra samihafa: fanaraha-maso hentitra, fanakanana entana tsy manara-penitra, ary fanentanana amin’ny fividianana vokatra vita an-toerana. Ny tanjona dia ny fampiroboroboana ny indostria sy ny asa, ary ny fampihenana ny fako sy ny entana tsy azo antoka,… Ilaina ny fanadihadiana lalina: ahoana ny fiantraikan’ny friperia amin’ny toekarena sy ny tontolo iainana? Misy ve ny politika hanohanana ny mpanamboatra akanjo Malagasy? Ary ahoana no hanomezana safidy mora vidy ho an’ny vahoaka nefa tsy manimba ny indostria anatiny?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.