Actualités

Fanadiovana etsy Tsiazotafo Handraisana fepetra entitra izay mibilila


  • Zoma 27 Jolay 2018

Nampatsiahy farany tetsy amin’ny biraony etsy Andravoahangy omaly ny delegen’ny Boriboritany fahatelo, Rado Andriamamonjisoa, fa hisy fandaminana tsy maintsy atao manomboka etsy amin’ny “irresistible” hatrany amin’ny Total Tsiazotafo

 

 , araka ny vinan’ny ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana . Izany no atao dia nohon’ ny fahitana ny fikorotanana sy ny fahateren’ny lalana noho ny fisian’ireo fiara mijanona tsy nahazoana  alalàna amin’ny CUA, indrindra ireo  fiara maro maty mipetraka eny;  Eo koa ny fisian’ny ireo mpivarotra hanimasaka maro mivarotra eny amoron-dalana izay miteraka tsy fahasalamana ho an’ny olona, hoy ity delege ity. Manao antso avo ny olona rehetra mampiasa io lalana io (tranombarotra, mpivarotra hanimasaka sy ireo fiara mijanonana tsy nahazoana alalana ary ny sarety mivezivezy mitatitra entana amin’ny ora tsy ara-dalana)  ny delege mba hiala eo amin’ireo toerana ireo, manomboka anio amin’ny 6 ora maraina fa hisy ny fanadiovana izay ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hisy ny fepetra enjana ho raisina amin’ireo tsy manaraka ny fandaminana ka ho raofina ireo fiara sy ny entana  mbola hita fa mijanona eny. Tsy tokony hisy hilaza intsony, hoy izy, fa tampoka ny fanapahan-kevitra satria efa hatramin’ny alatsinainy no nampandrenesina.

J. Mirija


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT