Actualités

Fanadinana ENAM Misy kandida tsy nahazo fiantsoana


  • Talata 11 Janoary 2011

Nanomboka omaly alatsinainy ny fanadinana hidirana mpiasam-panjakana ambony eto amintsika. Isany misy foibem-panadinana amin’izany ny ao Toamasina, izay atao ao amin’ny GEC Ratsimilaho.

Misy kandida roa, izay fantatra hatreto aloha, no tsy nahazo fiantsoana hiatrika ny fanadinana nefa nandefa antotan-taratasy mazava teny anivon’ny ENAM. Raha natao ny fanadihadiana, dia mifamahofaho ny valiny azo. Ny ENAM milaza fa fahadisoan’ny paositra izany, ireo kandida tsy nahazo fiantsoana kosa milaza fa ny ENAM no manana ny fahadisoana. Raha ny marina aloha dia manana ny taratasy mazava nandefasana ny antotan-taratasiny tamin’ny alalan’ny paositra “tsy very mandeha” ireo tsy nahazo fiantsoana ireo, nandoa ihany koa ny saram-panadinana 50.000 ariary. Ny iray aza ny 08 desambra araka ny taratasy teny aminy no nandefa ny antotan-taratasiny.

Raha atambatra dia mahatratra 100.000 ariary no lanin’ny kandida iray nikarakara ireo antotan-taratasy ireo. Fantatra anefa izao, fa tsy ireo kandida roa ao Toamasina ireo ihany no tsy nahazo fiantsoana sy tsy tonga teny amin’ny ENAM ny antotan-taratasiny na nalefa tsy very mandeha ny paositra aza, fa manodidina ny 100 be izao. Milaza ny hitory izay nahatonga ny olana ireo kandida tsy voaantso ireo, na io ny paositra sy ny fakterany, na io ny ENAM mety nanary sy nanilika ny antotan-taratasiny. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT