Actualités

Fanabeazana ny olom-pirenena vanona Handray anjara ny fiarahamonim-pirenena


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

Ny tsy fahampian’ny fanabeazana ny olom-pirenena no anisan’ny antony tsy hahafahantsika mampandroso ny firenena, raha ny fanazavan-dRahelinirina Esthelah, talen’ny fanabeazam-bahoaka ho olom-pirenena eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Tsy andraikitry ny

 

fanjakana irery anefa izany, hoy hatrany izy fa andraikitry ny rehetra, antony nanomezany fiofanana ireo karazana fikambanana maro samihafa tetsy amin’ny INFP Mahamasina omaly niaraka tamin’ny fikambanana HAFARI Malagasy. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina nandritra izany fa adidy tsy maintsy tanterahina ny an’ny fikambanana HAFARI amin’ny maha olom-pirenena azy ireo, indrindra ny hahafahany mampita izany amin’ny mpiara-belona ka anisan’ireny ny fanovana toe-tsaina mba hahaizan’ny rehetra mifanaja sy mifampihaino, indrindra fa ny fankafizana sy ny fividianana  ny vita malagasy.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT