Actualités

Fanabeazana ho an’ny rehetra Nanala ny zaza Malagasy tamin’ny habadoana


  • Talata 24 Febroary 2015

Anisan’ny firenena nankato sy nampihatra ny fandaharanasa «Education Pour Tous» isika eto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2003. Tanjona lavitr’ezaka tamin’izany fotoana izany ny mba handalovan’ny ankizy rehetra ny dingana fanabeazana fototra 7 taona novolavolain’ny fitondrana

 

Ravalomanana ialana amin’ny tsy fitoviana sy ny hantsana mampisaraka ny samy zaza malagasy. Nanodidina ny 40% moa ireo olom-pirenena sokajiana ho tsy mahay mamaky teny sy manoratra tamin’io fotoana nisantarana ny EPT io. Lasibatry ny korontana politika nitranga tamin’ny taona 2009 moa ity programa «Fanabeazana ho an’ny rehetra» ity ka ankizy an-tapitrisany no voatery nitsoaka an-daharana vokatry ny fahatapahan’ny fandaharanasa. Tafakatra ho 60% amin’izao taona 2015 izao ny tahan’ireo malagasy tsy mahay mamaky teny sy manoratra nateraky ny krizy lavareny. Nandray fepetra maro ihany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ankehitriny hamahana olana. Misy amin’izy ireny anefa no toa mifanohitra amin’ny fampitoviana takian’ny fandaharanasa EPT ho tombontsoan’ny besinimaro. Ohatra iray amin’izy ireny ilay tetikasa «Vatsin’ankohonana» izay hita ho mitsinjo ampahan’olona manokana ka tena mifanipaka amin’ny fampianarana maimaimpoana nampanantenain’ny fanjakana.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT