Actualités

Fampitomboana mpizahatany eto Madagasikara Tsy misy mazimazia io, hoy ny minisitra


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Tsy misy mazimazia ny mikasika ny fanatrarana ny tanjona hampitombo ny isan’ny mpizahatany 200.000 ho lasa 500.000 eto amintsika amin’ny taona 2022, raha eo amin’ny lafiny antoka momba izany no resahana, hoy ny minisitry ny fizahantany, Brunel Razafitsiandraofa.

  Misy kosa anefa ny paikady toy ny fandinihana ny lafiny tokony hampiana amin’ny resaka fitaterana na ana habakabaka io na an-dranomasina na an-tanety. Mikasika ny fandriampahalemana, hoy izy, dia tsy tsapan’ny Malagasy hatramin’izay hoe mitondra tombony ho azy ilay fizahantany. Mila tezaina isika fa tonga hijery ny hakanton’ny zavaboary sy ny kolontsaina ary tontolo voajanaharintsika ireo mpizahatany ary hampidi-bola ao anaty kitapom-panjakana izany. Ny hahatsapany izany ahafahany mandray ny andraikitra tandrify azy no tanjona, hoy ny minisitra fa tsy sanatria hitondra any amin’ny fitsaram-bahoaka amin’ny endriny hafa. Efa nisy ny dinik’asa niarahana tamin’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fiarovana sy ireo mpitandro ny filaminana ary ny minisiteran’ny varotra sy ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana izay tokony hiaraha-miasa, hoy hatrany ny minisitra satria misy fifandrohizany.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT