Actualités

Fampisondrotana karama Miteraka savorovoro eny amin’ny ministera


  • Zoma 21 Janoary 2011

Araka ny fantatra dia mbola ao anatin’ny katrodoha tanteraka amin’izao fotoana ny ao amin’ny ministeran’ny asam-panjakana sy ny ministeran’ny tetibola taorian’ny fanambaran’ny filohan’ny FAT ny zoma 14 janoary lasa teo ny amin’ny hampisondrotana 25% ny SMIG na karama farany ambany indrindra ho an’ny mpiasam-panjakana.

Tsy misy mantsy araka ny loharanom-baovao ny antontanisa marina sy matotra ary manaraka ny toetrandro hahafahana mijery hoe : iza avy, miisa firy amin’ny sehatr’asa inona avy ireo mpiasam-panjakana tafiditra ao anatin’io sokajy io. Araka ny vaovao voaray avy eny amin’ny ministeran’ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy dia tsy misy ny mpiasam-panjakana mandray karama latsaky ny 120 000 ariary, izany hoe tsy misy mandray ny karama farany ambany ka tsy hisy izany ny hahazo io fampisondrotana 25% io. Toa tsy tahaka izany kosa anefa no fitrangany ho an’ny ministeran’ny tetibola fa dia eo am-pandinihana ny ho fampiharana io fepetra nambaran’ny filohan’ny tetezamita io izy ireo ary efa am-perinasa amin’ny fikarohana paikady hanatanterahana izany ireo teknisianina, araka ny vaovao voaray.

Asa be ary nampikorontana mihitsy ny asa fanao isan’andro iny fanapahan-kevitra hampisondrotra ny karama farany ambany iny, hoy ny mpiasa iray ao amin’ny ministeran’ny tetibola, nanohy ny fanazavany ihany ity mpiasa ity ary nilaza fa mitovitovy tamin’ny fikoropahana taorian’ny nanambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanaa ny hampiharana ny «détaxation» tamin’ny 2004 ny zava-misy amin’izao fotoana. Raha izany no izy dia mbola ankamantatra ny tena ho fampiharana marina io fanapahan-kevitra io.

Ny mpanara-baovao politika moa dia efa tsy gaga intsony amin’ny tranga tahaka izao satria efa fomba fanaon’ny FAT ny miteny sy manome toky aloha izay vao mieritreritra sy hanatanterahana izany. Tsy misy olana ny amin’ilay fampisondrotana 10% ny karama satria efa voasoratra tao anatin’ny tetibola 2011 iny fa ity fampisondrotana ny SMIG ity no ho raharaha, satria na ny isan’ny olona hampiharana azy aza tsy mbola fantatra akory hatramin’izao ; ary raha ny filazan’ny avy ao amin’ny ministeran’ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy aza dia tsy hisy mpiasam-panjakana hahazo io fampisondrotana ny karama farany ambany io, fa mety any amin’ny sehatra tsy miankina no hahazo izany, raha toa ka manaiky ny vondron’ny mpampiasa. Ho hita eo ny tohiny ary andrasan’ny rehetra ny fanazavana matotra avy amin’ny tompon’andraikitra. 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT