Actualités

Fampiroboroboana ny fizahantany Niampy matihanina miisa 550


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Teny amin`ny Maining Buisness Center Ivato no nivoaka tamin`ny fomba ofisialy omaly ny andiany “TSIRI” (Tanora Sahy Iatrika ho Reharehan’ny INTH), avy ao amin’ny ivontoeram-pirenena momba ny fizahantany sy ny fandraisam-bahiny INTH Ampefiloha.

 

 

 Miisa 550 ireo mpianatra notolorana mari-pahaizana, sy mari-pankasitrahana. Manomboka amin’ny enim-bolana hatramin’ny telo taona ny faharetan’ny fianaran’ireo mpianatra, ka maro ireo nisafidy ny fiofanana anaty fotoana fohy, mba ahafahan’izy ireo miasa avy hatrany. Nanatrika ary nanome voninahitra ny lanonana ny Sekretera jeneralin`ny minisiteran` ny fizahantany, izay nilaza fa «tena mampandroso sy hiankinan’ny toekarena sy ny fizahantany ireo mpianatra vao nivoaka sy ny asany ary natao hiasa mafy, indrindra amin’ny fotoana fialantsasatra, satria izay no fotoana maha betsaka mpizahatany”. Nampirisika ireo mpiara-miombon’antoka ihany koa izy mba handray ireo mpianatra vao nivoaka hampitombo ny fahaizan’izy ireo. Ny talen’ny INTH, Noromanana Rabenitany, nandritra ny lahateniny dia nampirisika ireo mpianatra hazoto sy harisika amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa amin’ity sehatra ity izy satria miroborobo io asa io amin’izao fotoana. Ankoatra izay, nahazo fanomezana manokana ireo mpianatra mendrika tamin`ity andiany ity. Mbola mila ezaka goavana ny fizahantany eto Madagasikara ary mbola vitsy ny mpizahatany resy lahatra kanefa maro ireo toerana misintona azy ireo tokony hohatsaraina. Mampidi-bola be io sehatra io sady maro be ny vokatra ateraky ny fizahantany ary azo tsapain-tanana, indrindra eo amin`ny lafiny toekarena. Ho an`ny nosy Maorisy manokana miisa 1 341 860 ny isan`ny mpizahatany ho tanjony amin`ity taona 2018 ity. Noho ny tsy fandraisan`andraikitra misy eto dia tsy mandroso sady tsy mitondra vokatra betsaka ho an`ny toekarena Malagasy.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT