Actualités

Fampiofanana ireo ben’ny tanàna sy teknisianina Andrasana ny vokatra entiny


  • Alarobia 23 Mey 2018

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny Hotely Solimotel Anosy ny fampiofanana natokana ho an’ireo ben’ny tanàna sy teknisianina avy amin’ny kaominina sy ny minisitera.

Tsiahivina fa noho ny tsy fahafahana amin’ny enti-manana mandefa olona hiofana mankany ivelany dia nisy ny fangatahana fiaraha-miasa tamin’ny Masoivoho Frantsay ho an’ny Fampandrosoana (AFD) mba hanaovana izany eto Madagasikara. Raha tokony ho 3 no nahazo fampiofanana tany ivelany dia lasa 100 no nisitraka ary nahazo taratasy fanamarinana mihitsy noho ny fanatanterahana izany teto an-tanindrazana. Manampahaizana manokana momba ny fitantanana ara-bola eto Madagasikara sy any ivelany avy no nampita ny traikefany tamin’ireo mpiofana. Tanjona ny ahafahana mametraka sy mamehy ny paikady rehetra amin’ny resaka fitantanam-bola eny anivon’ny kaominina. Ben’ny tanàna na solontenan’ny ben’ny tanàna na tompon’andraikitra ara-bolan’ny kaominina sy minisitera no nofanina. Hanampy amin’ny fananganana tetikasa sy fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, indrindra ny mpamatsy vola ity fampiofanana ity. Sakana ho an’ny kaominina mantsy ny tsy fahaiza-manao sy ny tsy fahaiza-mitantana tetikasa rehefa tojo famatsiam-bola, indrindra tsy mahavita tena ihany koa ny kaominina ka tokony hitady fidiram-bola hatrany. Ny indro kely, na nisy aza ny fanentanana natao tamin’ireo kaominina maro dia tsy vitsy no nisalasala sy tsy rototra ka tsy tonga tamin’ny fiofanana. Vitsivitsy, araka izany, ireo kaominina tonga niofana kanefa betsaka ny tombony azo amin’ny fiofanana.


Tsiry

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT