Taorian’ny tranga tamin’ny 2009 dia nanatontosa fihaonambe ny miaramila rehetra teto Madagasikara, indrindra ireo manamboninahitra. Ady hevitra be ny tao anatin’izany ary saika nisy totohondry mihitsy.
Noho ny fahatsapana ny fifamelana eo amin’ny tsirairay anefa dia afaka nanapa-kevitra niaraka ihany ireo miaramila. Zava-dehibe niaraha-nanapaka tamin’izany ny hoe tsy tokony hisy intsony ny miaramila ampidirina am-ponja noho ny resaka politika. tsapa mantsy hatramin’izay fa misedra ny mafy ny miaramila rehefa misy ny krizy. Misy mihitsy ireo maty any am-pigadrana. Vao tsy ela anefa izay dia misy jeneraly roa, kolonely folo mahery, lietna kolonely efatra, komandà iray ary miaramila sy zandary am-polony any am-ponja amin’izao fotoana izao. Tsy niraharaha ny FAT fa tahaka ny tsy nisy ilay fihaonamben’ny miramila teny Ivato.
Raha zohiana amin’izao zava-misy izao dia tsy maintsy hisy ihany koa ny miaramila izay hofonjaina rahampitso na afak’ampitso rehefa tsy mitondra intsony ny FAT. Dia tahaka izay foana ny fiainana eto satria tsy nohajaina ny fifanarahana teo amin’ireo samy miaramila. «Azo natao tsara mihitsy ny nanao «résidence surveillée» ireo miaramila ireo satria misy lalàna milaza izany ato aminay», hoy ny jeneraly iray raha nilaza ny mikasika ity raharaha eo amin’ny samy miaramila ity izy ireo. Anisan’ny mampalahelo ny miaramila amin’izao fotoana na ny zandary na ny Tafika dia ny fijeren’ireo lehibe fotsiny manoloana ny tranga tahaka izao. Voatonona amin’izany ny komandin’ny zandary ny jeneraly Razafindrakoto Bruno sy ny lehiben’ny etamazaoron’ny tafika ny jeneraly Ndriarijaona André.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.