Actualités

Fampiasam-bola eto Madagasikara Tsy miteraka harena ny ankamaroany


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Tsy vitan’ny hoe kely sy tsy ampy ny vola miodina eto Madagasikara fa sady tsy miteraka harena.

 

 Noho izay tsy fahamian’ny bongam-bola ho enti-manodina ny tetikasa izay dia mianona fotsiny amin’ny tombom-barotra kely ny ankabeazan’ny Malagasy. Tsy mbola hahavitana manangan-javatra goavana sy hiampitana  amina tetikasa lehibe mihitsy ny eo an-tanana. Tsy misy afa-tsy ny fanamorana ny fidiran’ny Malagasy amin’ny banky mba ho afaka hampiodim-bola sy hampiteraka tombony ho azy. Io hatrany no olana eto amintsika satria sady sarotra sy maro ny taratasy takiana kanefa ny zana-bola koa ambony be. Mila jerena ihany koa ny zavatra mampiavaka ny faritra ary amin’izany no hanosehana ny tsirairay amin’izay tetikasa hampandroso azy sy io faritra misy azy io. Sakana ihany koa ny toe-tsaina tsy mety hivoatra ka na dia hita ho efa fitadiavam-bola tokony hovaina zavatra hafa aza dia aleo mionona amin’io ihany fa hoe: efa io no nahazatra . Ankoatr’izay dia matahotra mampiasa vola noho ny asa fandraharahana tena marefo eto Madagasikara ireo mba afaka manao izany. Io tontolon’ny fandraharahan’ny Malagasy io mihitsy no tokony hilofosana na amin’ny sehatra madinika indrindra na ny goavana raha tiana hiroborobo ny toekarem-pirenena

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT