Actualités

Fampianarana ambony Baraingo ny taom-pianarana ho avy


  • Zoma 10 Desambra 2010

Nanamafy ny fehin-kevitra tapaky ny filankevitra nasionalin’ny SECES ny volana novambra teo ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo nandritra ny fivoriana notontosainy ny alarobia 08 desambra lasa teo teny Vontovorona.

Mbola miato avokoa noho izany ny asa rehetra eny Ankatso toy ny fampianarana, ny fanadinana ary ny fikarohana raha tsy azo ny fitakiana. Mihidy ihany koa ny vavahady fidirana ny oniversiten’Antananarivo afa-tsy ny 24 sy 25 desambra izao ihany na dia nisy aza ny fangatahana nataon’ny fiadidiana nataon’ny oniversiten’Antananarivo momba izany. Nandamoka avokoa moa ireo fihaonana fikaroham-bahaolana nataon’ny mpitantana ny SECES tamin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony niainga tamin’ny ministra Tongavelo Athanase ka hatrany amin’i Andry Rajoelina. Nampanantena ny hitondra ny fangatahan’izy ireo hodinihana mandritra ny fivoriam-baomiera sy ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehana koa ny teo anivon’ny vaomiera momba ny fanabeazana eo anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita nandritra ny fotoam-pivoriany izay nifarana omaly saingy tsy nisy tohiny izany.

Lany soa aman-tsara teo anivon’ireo Antenimiera roa tonta anefa ny volavolan-dalàna momba ny fandaniam-bolam-panjakana taona 2011 ka tsy tafiditra tao anatin’izany ny fanomezana ny tombontsoan’ireo mpampianatra mpikaroka toy ny tambikarama momba ny fikarohana valo hetsy ariary araka ny voafaritry ny didim-panjakana 2009/1214 sy ny didim-panjakana 20/1215. Ny ministry ny vola, Rajaonarimampianina Hery rahateo nanamafy omaly nandritra ny fampahafantarana ireo teboka goavana amin’ny volavolan-dalàna momba ny fandaniambolam-panjakana 2011 fa telo hetsy ariary ihany no zakan’ny tetibola . Lavin’ny SECES koa anefa io soso-kevitra io ka ny fametrahana ny “Fonds de recherche” indray no vahaolana vaovao atolotry ny fanjakana ka izay mpampianatra manao fikarohana ihany no mahazo fanohanana. “Tsy mety izany satria izay tiana omena vola ihany no mahazo. Aleo “Fondation de recherche” no apetraka raha izany ka misy komity misafidy izay hahazo famatsiana”, hoy Rasoamiaramanana Armand, filoha mpiara-mitantana ny SECES. Nanampy moa ity farany fa matoa afaka manakarama mpanakanto vahiny hanafana ny lanonana fitokanana ny Lapan’ny tanàna sy ny fitsenana ny taona vaovao ny fanjakana dia manam-bola.

Taona fotsy
Raha izao fizotry ny toe-draharaha izao dia afaka enim-bolana any ho any vao mety hiravona ny olana. Amin’ny volana jona na jolay 2011 any mantsy vao hisy ny fanitsiana ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bolam-panjakana 2011. Amin’izay fotoana izay vao tafiditra ao anatin’io fanitsiana io ny fangatahan’ ny SECES raha eken’ny fanjakana izany. Ny SECES izay efa nanambara fa tsy hiverina hiasa mihitsy raha tsy azony ny fitakiany. Nandritra ny fivoriamben’ny sampana Antananarivo teo koa no efa nampitandreman’izy ireo fa mety tsy hisy ny taom-pianarana manaraka raha mitohy izao. “Raha amin’ny jolay 2011 vao miverina ny fampianarana dia amin’izay koa vao taperina ity taom-pianarana ity. Ny zavatra hiseho anefa dia samy hiaraka hibosesika hiditra aty amin’ny oniversite avokoa ireo mpianatra nahazo bakalorea taona 2010 sy taona 2011 saingy tsy ho tanteraka izany noho ny hakelin’ny fotodrafitrasa sy ny enti-manana. Midika izany fa mety tsy hisy ny fampianarana manaraka satria voafetra ny toerana”, hoy ny fanambarana nivoaka ny alarobia teo teny Vontovorona.
 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT