Actualités

Fampiakarana ny vidin’ny mofo Mbola mitohy ny fifampiraharahana


  • Alakamisy 19 Febroary 2015

Nandeha ny feo tamin’ity herinandro iny fa hiakatra 500 Ar ny vidin’ny mofo dipaina iray

 

. Tsy mbola tanteraka anefa izany hatramin’ny omaly noho ny fisian’ny fandaminana maro samihafa tsy maintsy hatao.  Ireo mpanamboatra mofo eto an-drenivohitra anefa etsy an-daniny nanamafy fa tsy maintsy hakarina ny vidin’ny mofo noho ny fatiantoka mihoapampana mahazo azy ireo vokatry  ny fiakaran’ny vidin’ny kojakoja rehetra  ilaina. Rehefa nanao ny fifampiraharahana mikasika izany ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa  dia fantatra fa raha hajanona 300 Ar ihany ny vidin’ny mofo  dipaina iray dia tsy maintsy ahenan’ireo mpamokatra azy ho  50 grama ny lanjany raha 70 grama amin’izao fotoana izao. Vao mainka nipetraka anefa ny olana ka nanolo-kevitra indray ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa tarihin-dRabetsara Lita fa hakarina ho 400 Ar ny vidin’ny mofo saingy tsy maintsy 105 grama kosa ny lanjany vita raha 130 grama manta ny iray. Ankoatra izay moa dia anisan’ny nangatahin’ity mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity ihany koa ny tsy hampiakarana izany raha tsy amin’ny fiandohan’ny volana Martsa ho avy izao hahafahan’ny rehetra miomana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT