Actualités

Fampiakarana ho Jeneraly Kolonely amin’ny andiany roa no indray tsy faly


  • Talata 11 Janoary 2011


Misesisesy ary saika isan-kerinandro tato ho ato ny fivorian’ny miaramila izay anaty andiany. Nanomboka tamin’ny faramparan’ny taona teo dia ny avy ao amin’ny andiany faha-12 sy 13 no mikaon-doha, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny miaramila, mitady hevitra fatratra mba hanehoana ny tsy fahafalian’ireo mahakasika ny fampiakarana galona Jeneraly farany teo. Tsy mazava tsara ny tena fipetraky ny raharaha ary raha ny fantatra dia hangataka fihaonana amin’i Andry Rajoelina tsy ho ela ireo manamboninahitra kolonely avy amin’ireo andiany roa ireo. Raha tsiahivina dia nisy kolonely maromaro izay tamin’ny andiany zandriny dia ireo faha-12 sy 13 no nahazo jeneraly farany teo.

Nandingana kilasy araka ny fitenenana izy ireo kanefa tsy manaiky velively hoe «avancement exceptionnel» no nomena azy ireo. Manaraka izany ihany koa, raha atao hoe io farany no antony dia toa tsy hita soritra sy hitan’ny maso akory ny tena zava-bita misongadina. Antony avokoa ireo mampingonongonona ny andiany faha-12 sy faha-13 izay tsy mitsahatry ny manao fivoriana amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina dia mbola misy amin’izao ny fe-potoana izay nomen’ny andiany faha-17 ny mba hanomezana famotsoran-keloka izay rehetra gadra politika hatramin’ny 2009 no ho mankaty na miaramila izany na sivily. Dikan’izany dia azo tsoahina fa tsy milamina tanteraka araka izay voizina isan’andro ny foloalindahy. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT