Actualités

Famotsorana ireo sinoa nanao trafikana andramena Manadihady any Toamasina ny minisiteran’ny fitsarana


  • Alarobia 04 Martsa 2015

Taorian’ny nahazoan’ireo sinoa efa-dahy fahafahana vonjimaika ny alatsinainy teo, sinoa tafiditra tamin’ilay raharaha sambo tratra tao Mangabe Maroantsetra ary mifaningotra amin’ny raharaha fanondranana an-tsokosoko andramena, dia nandefa iraka hanao fanadihadiana mikasika ny raharaha ao Toamasina ny

 minisiteran’ny fitsarana araka ny baikon’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo. Tsy nahafaly an’ingahy praiminisitra mantsy ny farenesana ny fahazoan’ireto sinoa ireto fahafahana vonjimaika araka ny vaovao “marim-pototra” nangonina, dia izao miafara amin’ny fanaovana fanadihadiana mpitsara ao Toamasina izao ny raharaha. Ho an’ireo mpitsara mahay tsara ny raharaha anefa dia zon’ny tsirairay ny mangataka io fahafahana vonjimaika io, ka arakaraka ny antontan-taratasin’ady no hahazoana azy, izay tafiditra amin’ny fahalalahan’ny mpitsara mivory eo anivon’ny “chambre de detention” no manapaka izany. Ho hita eo izany ny ho tohin’ny raharaha, satria raha ny tsy fahafalian’ny praiminisitra izay efa nilaza ny hiady mafy amin’ny andramena sy ny fakana an-keriny ary ny fikambanan-jiolahy sy ny hasosoran’ny minisitry ny fitsarana, dia “mety hitarika amin’ny fanasaziana mpitsara” ny raharaha izay zon’ny minisitry ny fitsarana araka ny lalana nivoaka ny taona 2013.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT