Actualités

Famotsoran-keloka Mety hahomby ihany !


  • Alakamisy 20 Janoary 2011


Mitohy tsy mitsahatra ny fivoriana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita izay misahana ny famotsoran-keloka. Momba izany ihany dia fantatra koa fa efa mifampitaona matetika ny eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ary mifandinika momba izany hatrany. Tsy lavina fa mihodina eo anivon’io famotsoran-keloka sy ny tsy famelana ny mpanao politika sasany hody eto an-tanindrazana no anisan’ny mampitohy ny krizy izay misy eto amintsika. Raha tsiahivina dia misy ny andiana manamboninahitra izay mangataka ary nanome fe-potoana mihitsy aza ny mba hanomezana famotsoran-keloka ireo rehetra izay migadra amin’izao fotoana izao noho ny raharaha 2009. Midika izany fa efa maro no miandrandra ny famoahana am-ponja sy ny famerenana ireo tsy afa-mody noho ny antony politika. Hita ho mifantoka amin’izany ny ezaka sy ny dinika vao nanomboka ity taom-baovao ity. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT