Mivoatra ankehitriny ny fanadihadiana momba ny raharaha namonoana an’ny lietnà Dezy, manamboninahitra tafika lavon’ny balan’ny dahalo tao Ambahikily Distrikan’i Morombe, ny alin’ny 23 aprily lasa teo. Very tamin’io andro io ihany koa ny omby 15 sy basy kalaky iray nentiny niampy bala 25. Ny talata teo, dia patiraon’omby iray ahiana ho niray tendro tamin’ireo dahalo manodidina ity vono olona mamohehatra ity no voasambotry ny mpitandro ny filaminana tany Betamenaka Distrikan’i Manja. Amin’ny fanadihadiana lalina tsy maintsy atao azy no mety hahafantarana sy hivoahan’ny marina rehetra, satria miahiahy ny fianakavian’ny maty ankehitriny, fa niniana novonoina ny havan’izy ireo herinandro monja taorian’ny nanaovan’ity lietnà ity dinan’omby tany Manja.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.