Actualités

Famonoana ilay “surveillant” Mpianatra 3 no tena nidaroka mafy azy


  • Sabotsy 19 Mey 2018

Telo lahy no nohazavain’ny vadin’ny Surveillant an’ny Lisea Rabearivelo fa tena tompon’antoka amin’ny fahafatesan’ilay rangahy.

Ny teo anivon’ny polisy dia nilaza fa efa mandeha ny fanadihadiana ary tsy nilaza kosa na nisy ny voasambotra na tsia na dia nisy vaovao niparitaka aza omaly fa mpianatra iray no nosamborina. Ahiana mafy ny hisian’ny valifaty izay hataon’ny mpianatry ny lisea Rabearivelo amin’ny mpianatry ny Lisea LTC. Nodimandry ny alakamisy lasa teo tany amin’ny hopitaly, Rakotomalala Sedera, raim-pianakaviana  vao 27 taona  monja ilay “Surveillant général” ao amin’ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo Analakely  nanasaraka ireo mpianatra nifamono sendra azy. Mpianatry ny  lisea Technique Commercial Ampefiloha sy ny lisea Rabearivelo ireo nifandona ireo raha araka ny loharanom-baovao azo. Tratry ny tsy nampoizina  anefa Itompokolahy ka nanjary nafoiny hatramin’ny ainy mihitsy. Ny dona mafy teo amin’ny kibony no antony tena nitarika ny fahafatesany. Namela mananon-tena sy zaza iray vao fito taona monja izy.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT